<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Tsy hita izay androko sisa aty FFPM564</title>
<lyrics>[V1]
 Tsy hita izay androko sisa
 atý,
 Ahiko fandrao tsy ho tonga
 arý ;
 Ry fanahiko ! ao ny
 Mpamonjy anao,
 He ! Jeso Mpamonjy anao
 (in-3)
 Ry fanahiko ! ao ny
 Mpamonjy anao.

[V2]
 Izaho anefa tamàna atý ;
 Tsy hiomana ve, fa hifindra
 arý ?
 Fa efa fantatrao izao fa
 havela ity
 He ! lanitra soa arý (in-3)
 Fa efa fantatrao izao fa
 havela ity
 He ! lanitra soa arý.

[V3]
 Ilaozy ity, hadinoy, ry fo !
 Afoizo izao, ry fanahiko ô !
 Fa efa reko ny Tompo
 miantso anao,
 He ! feo mahafaly izao (in-3)
 Fa efa reko ny Tompo
 miantso anao,
 He ! feo mahafaly izao.</lyrics>
<hymn_number>564</hymn_number>
</song>